You are here: home > Vetso

Harenako - raozigasy

Harenako,

Tsy volamena
sy harena
na vatosoa tsy taka-bidy
na volafotsy saro-bidy
tsy volabe,
sy tranobe
na valabe tsy taka-basy
na lovabe an-taratasy

Izay tsy ananako

fa ny teniko,
ny peniko
ny soratsoratry ny tanako
ny sombintsombin-tonokaloko

no harenako fananako

21/06/2002


Hametraka hevitra

Midira aloha