Hatanjaho ny saina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sembanin-drahona, ilay baliakan-johary
Raha azeran’ny tadio, izay tinefy lavorary
Dia hatanjaho ny saina, hizaka izay marary

Raha diboky ny riaka, ilay fototra najoro
Raha nindaosin-drano, izay vita ka nikoro
Dia hatanjaho ny saina, aza mora toro

Raha kilan’ny joala, ilay andry nantenaina,
Raha lasana lavenona izay sary novisaina,
Dia hatanjaho ny saina, aza miferitr’aina

Raha toa ka voasompatra, ilay tetika nomanina
Raha toa voahala-tahaka ireo vita adisanina
Dia hatanjaho ny saina, toneo ny fo hilamina

Raha toa ka voaendaka ilay lamba notinafy,
Raha toa ka voafitaky ny tiana lasan-drafy,
Dia hatanjaho ny saina, tsy izay no tena mafy

Fa mbola misy any, miaina anaty fako,
Fa mbola misy any, andevozina amin-dako
Fa mbola misy any, menavava ariana
Fa mbola misy any mizaka izay tsy tiana

Ka hatanjaho ny saina, raha tojo sedram-piainana
Ka hatanjaho ny saina, ialao ny fitarainana
Hatanjaho ny saina, fintino ny tomany,
Hatanjaho ny saina fa fiainana izany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1228 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 12/10/2010 19:04)
misaotra betsaka ry RAOZY a! vitanao minainaina mihitsy ilay tsapa fa tsy voalazan' ny vava a!, soa ihany fa mbola tsy lany mpandimby ireo poeta malagasy , porofo: RAOZIGASY
raozigasy ( 12/10/2010 20:44)
tsy natao hoe hampinaina,
na koa hoe hampitaraina
fa natao fotsiny hisainana
hoe samihafa ange ny fiainana
pisokelinah ( 13/10/2010 06:55)
Marina izany e!!!!mila matanjatsaina foana eo amy fiainana!!!
Soarilala ( 13/10/2010 09:57)
Tsy maintsy kah! Afaka hanao inona koa anefa moa!Fiainana izany!
hery5 ( 13/10/2010 12:49)
Tsar e. mampahery n kivikivy. Mankasitraka e
Aynah ( 19/01/2011 21:57)
Misaotra e! Mankasitraka mankatelina Raozy a! Nisy mpandimby i dadabe Rado sy ny namany... Tsiaro kely ho an'i dadabe Rado! Tena mampihetsi-po e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311