Hatraiza no faran'ity revy ity (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza no faran’ity revy ity
Ary hiitatra hatramin’ny rahoviana
Fa ny olona rehetra hatraty Paris
Efa mivary raraka be manakiana

Sa atao resaka “feu de l’amour”
Tsy hita mazava fa miodina eo ihany
Ny vahoaka anefa mangovi-mijoro
Sy efa mitrongy mandady amin’ny tany

Hatraiza ny fefin’ity revy ity
Ary hiova rehefa rahoviana
Fa minanaka hatrany Etazonia
Ireo Malagasy tsy heno, nangina

Sa atao resaka varo-bilany
Samy miteny izay sendra ny vavany
Ny ekena ekena, ny atao atao ihany
Dia samy miaro izay havankavany

Hatraiza ny fetran’ity revy ity
Ary hivadika oviana ny rasa
Fa hatramin’ny akama any Abu Dhabi
Manaparitaka kozy mandrasa

Sa atao antso mpivaro-tsarbô
Mivazavazà ialahy any ho any
Fa izahay ato an-trano mbola dodo
Tsy problemanay raha izany

Hatraiza ny “fin” amin’ity revy ity
Ary rahoviana ny “episode” vaovao
Ampy izay ilay “regime” hoe mampahia
Sy ilay esonesona tora-bilao

Sa atao antso tsy misy “reseau”
Fa anaty tunnel foana isan’andro
Aleo hikiaka ireo mpanao “allo”
Fa izahay ao anaty harena no mandro

Hatraiza sy ahoana ity revy ity
Iza no afaka hamaly an’izany
Fa ilay fifidianana mbola “magie”
Toa mbola tsy heno akory miala any
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1595 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 20/06/2013 09:44)
Dikan-teny malalaka sy nafohezina

Jusqu’où va se terminer cette histoire
Et cela va trainer jusqu’à quand
Même les parisiens qui n’ont rien à voir
Râlent déjà énormément

Et tous les jours on tourne autour
Rien n’est clair, exactement
Depuis le début on nous joue de mauvais tours
Les malgaches sont en plein dedans

Jusqu’ou va se terminer cette histoire
Et le changement sera pour quand
On ne parle que de déboires
Et de profits sans ménagement

C’est toujours la même la dialogue des sourds
On dit ce qu’on veut, on fait ce qu’on fait
C’est le même refrain tous les jours
Cela fait presque quatre étés

Jusqu’où et comment cela va finir
Qui peut répondre à ma question
Quand on voit tous ces espoirs tarir
Et ce fantasme d’élection
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0549