Hay va re !! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jereo ange ilay bandy, tsy endrika tsy bika,
Tsy mazava mihitsy hoe ahoana re no fika
Fa miova vehivavy isaky ny henemana
Mahavaky vava, mahalatsa-pitenenana

Jereo ange eny aminy, tsy hoe vola na harena
Na fiara lafovidy, na rava-bolamena
Kanefa dia mireha, fa miova tsy mitsahatra
Ireo vehivavy iarahany, moa va tsy milahatra

Jereo ange ny resany, tsy hoe rava-diploma
Na zavatra resahiny, tsy dia manao ahoana
Kanefa dia mahazo, ireo tsara sy bikana
Tsy misy ratsiratsy, ka tena higagana

Farany aho nanontany, ilay sipany taloha
Fa inona no heriny, hoe mba lazao aloha
Dia hoy izy tsy nihafa, henjana izy raha hampiresakaā€¯
Tonga ianao dia babo, ny fonao mila hitresaka

Fa afaka herinandro, na mety hoe tapa-bolana
Manomboka mihalany koa ireo voambolana
Dia tonga ianao dia leo, ka mitady lalana
Izy koa nahazo dia iny mialangalana

Hay va re hoy aho, ka tantara fohy,
Noheveriko mba hoe, misy mamy hitohy
Kanefa na izany, tandremo sao dia tratrany
Na ny fo , na ny vatana, fa misy iray maratrany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
938 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885