Hetra (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho aloha tsy handoa, raha ny hetram-panjakanaKa tsy mampaninona ahy, na hoe tsy tan-dalana
Satria izay kely aloako, no atambatry ny hafa
Hampatavy azy, alainy tsy mihafa
Fa raha ny hetran’ny fitia, dia izaho tsy mitaraiky,
Raha haban’ny fitiavana, tonga aho dia manaiky
Aloako tsy mihamba, fa ilay tamba-tsiky entiny
Inoako avy hatrany fa avy dia hody ventiny
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy