Hetsiky ny foko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tsikiko nitsiky, mody nitsiky ho anao
Ilay hafaliako iny, niniako mba natao
Fa ny tao ambadiny, alahelo mafy
Sarotra nafenina, sarotra nihafy

Fa teo imolotro ihany, ilay tsiky mody faly,
fa ny tao am-poko, latsa, kiana, jaly,
ny tao an-tratrako aza, afo be mijoala,
nandoro izato foko, miseho tsy te hahalala

ary ireo tondron-tanako, ninia nanda ny baiko,
hanoratra ho teny, ireo varalilan-tsaiko
ilay hovitry ny resako, nafeniko ho ahy,
natahotra aho mantsy , sao ny foko ka mivaha

ka nogejaiko tao, ilay hetsiky ny foko,
nofihiniko ilay vay, toy izay koa ilay toloko
tsy haiko izay nambara, ka nitsikiako vendrana
sao latsaka tomany, ilay masoko nipendrana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
900 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1078