Hidihidy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany aho mba hiresaka, ny amiko manokana
ilay mampangidihidy ahy, rehefa irery mitokana
tsy zakako indraindray, fa mahery ao anatiko
mampiakatra hafanana, ka mila tsy ho tantiko

Mafy kay leireitsy ilay mangidihidy,
kitihiny daholo, na saina na tadidy
ampirongatiny ao , ireo hevi-mifanolana
mana-maina tenda, tsy maha-te hivolana

Ny ketriky ny loha, sy ny ati-tanana,
maniry handraindray, zavatra tsy ananana
maniry hisafosafo, ilay fotsiny madio
tena maika mihitsy anio dia ny anio

Ny hevi-peno vezy, miitatra mandalina
ireo sangisangin-teny, navangongon'ny alina
ao anatiko ao, mitady lalan-kiviliana,
fa mahery loatra, ilay hotra-paniriana

Nony efa injay tsy tantiko, ilay toka-monina
iny aho namboatra toerana sy ningonongonona
tsy tantiko rey olona, mifona aho anio mivalo,
fa mangidihidy aho, te hanora-tononkalo

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1051 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311