Hihomehezako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hihomehezako malakolako
Jereko manao jery fako,
Ireo olona izay te handrava
Be resaka sy be vava

Hihomehezako tsiky tsy ravo
Ireo mialona sy te handavo
Ny lalam-pitia izay diaviko
Hamariparitako ny hoaviko

Hihomehezako tsy asiako sanda
Ireo mitady hanjera ny manda
Sy andrim-pitiavan’ny foko
Ka mihevitra ny hanova loko

Hihomehezako avy hatrany
Ilay fijery ambany dia ambany
Maniry handrodana izay tsara joro
Ilay fitia mangotraka sy tsara doro

Fa ny fitia izay nomeko azy,
Fitiavana tsy vazivazy
Fa fitiavana tena matoky
Tsy ravan’izay mpisoloky

Fa fitiavana tsara orim-paka
Tsy ravan’ny mpanjakazaka
Fitiava-namaka mafonja,
Tsy resin’izay safoakan’onja

Ka aleo ho avy izay ho avy
Na vorika io na mosavy
Fa fitiavana tsy laitram-bala
Ny fitiavanay sy malala
--------
Rohy:
1657 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253