Hijanona eto sa ho any an-dafy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainana ity efa tena mazana
Izay karama azo mba hoe niotazana
Roa herinandro dia ngazangazana
Ny kajy rehetra mampihidy vazana
Ny ampitso maizina tsy hita tazana
Raha izao no mitohy dia ho lasa razana

Dia natao ny kaonty sy ny adisanina,
Ilay ariary be tena mahafanina
Zara raha misy ny hamidy hanina
Izay ak anjo vao hoe mihaminkamina
Tsy voavidy vola fa aleo milamina
Fa ny vita sinoa no hifampindramina

Dia miainga ny resaka sy ny tafa
Ny nofy ririnina sy ny hafa
Hoe ahoana ny fika raha te ho tafa
Fa efa tena tofoka sy mijafa
Ny vidim-piainana izao mirafa
Fa ny kiho mihitsy no efa mifafa

Dia nivory ny namana sy sakaiza
Handinika ny hoe “ahoana” ,”ho aiza”
Rafahantrana no sisa taiza
Tsy mahatonga lavitra hoe hatraiza
Tsy mety ilay mionona hoe “mahaiza”
Fa tsy maintsy mitady ilay “aiza ho aiza”

Dia naroso ny dinika dia naravona
Ireo hevitra matotra sy hevi-dravina
Raha hitady vola, aza misy miavona
Fa izay kandra misy dia aza lavina
Raha hijanona eto dia ho very an-javona
Fa andao ho any an-dafy no indray manjavona

Dia ahoana ny hevitra ry zalahy
Hijanona eto sa handeha hipà
Iza no vonona sy ho sahy
Samy haka ho azy sa hisalahy ?
Iza no hijanona fa miahy
Iza no handeha sy te ho vazaha ?
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
757 0
Hevitra mandeha
hery ( 21/05/2013 04:57)
Ndao daholo... fa aza mijanona maharitra any 😊
vony501 ( 21/05/2013 07:23)
Ka an-dafy aiza ary no aleha?
Ny akaikikaiky sa ny lavitra be?
Andeha any Eoropa sa Amerika?
Asia sy ny sisa sa Afrika?

Dia rehefa tonga any dia inona no atao?
Hanao boton'olona, sy ireo tsy fanao
Dia ahoana sy ahoana ny ady clés?
Indrindra ho an'ny tsy Nationalités?

Ny tena nalaza izay teto amintsika
Liban, sy Koweit ary Arabie Saoudit
Betsaka anefa ireo diso tetika
Nanantena ho tafita, kinanjo fefika

mety mbola hitohy...
vahiny2004 ( 09/08/2013 11:34)
boton'olona ????
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2314