Hitako ianao - raozigasy
Azo vakiana?
Hitako ianao,omaly
Notsenaina tovolahy, ka tsy sahiko nantonina
Nody tsy nahita ahy, hany heriko nionona
Hitako ianao omaly
Faly ery nanoroka azy, ary avy eo nivazivazy
K’izaho irery no nangaina , nody irery toa voasazy
Hitako ianao omaly
Sambatsambatra ery ,nifampitantantantana aminy
Tena fo mifankatia , vao tsapako f’ianao no maminy
Hitako ianao omaly,
Nahita nefa tsy nijery, nahita tsy nanopy maso
Ary koa namela irery ,niandry angamba ranomaso
Hitako ianareo omaly
Nandoladolam-pitiavana, dia niala moramora
K’izaho nijery irery sisa, no nahatsapa fa voakora
RASALAMA (13/09/1990)
Hevitra mandeha
Malalason (13/07/2013 14:00:48)
mampatsiahy ahy ilay hira hoe :
hitako ianao omaly teny an-tratran-dry zalahy
tsapako fa falifaly adinonao ny aty (fahiny)
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 14/06/2004
Mpamangy : 4071
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy