HO AN'I ROMA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'I ROMA

Salama ve ianao ry Roma, ny namana ny akama etsetra
Manao ahoana daholo, ianareo rehetra rehetra
Izaho aty salama tsara, efa niverina niasa
Vetivety ilay vacances, poa toa izay dia dify lasa

Izaho izao aty Paris, efa niverina mi-rythme
K’ilay tsikitsiky lavako iny, efa nivadika ho-kizitina
Ny sangisangy rehetra tany, ireo hanihany vazivazy
Izaho mangetoka mangina, fa Fay anaty embouteillage

Ny andro koa moa manadala, fa petsapetsa sy manjombona
Ka satry hijanona ao an-trano, hipetrapetraka, hitorombina
Sady koa handamindamina, handinika izay hatao
Ny plan’ny fiainana rehetra, amin’ity taona vaovao

Fa ny tena mampihomehy, ary koa tena mi-scene
Dia toa mahita an’i Tevere aho, rehefa mahita an’i La Seine
Dia ny Placen’i Concorde, no San Pietro aty
Ary Chatelet les Halles, ny anay no Termini

Mety hoe mitovitovy ihany, ny endrikendrika tanàna
Fa Paris aloha milay e , ary Roma mahatamàna
Fa Roma kosa aloha bilitiny, fa Paris dia ngezalahy
Kanefa dia sahala ihany, misy tanàna tsy am-bazaha

Raha ny kaly no lazaina sy ny couleur’ny am-bilia
Dia tsara soratra sy endrika ny sakafo eto Paris
Fa raha ny tsiro sy ny habetsaka, tena hafa ny any Italie
Indrindra ilay zuppa katsaka tamin’indray mandeha iry ,

Eny resaka daholo, izany nentina nanary dia
Fa raha ny sipa tsara indrindra, dia ireo izay any Italia
Na ny fitafy, na ny bika, na ny loko, na tarehy
Tonga dia milay daholo, sady tena manjabe

Ny tsenam-pitafiana koa, mora sady be safidy
Ka misy ho an’ny rehetra , na malala-paosy na kahidy
Ny kiraro tena hoditra, fa tsy ilay vita sinoa,
Ka ny tongotrao indray, no mety vizana aloha

Izay fa dia veloma aloha, mandram-pihaona ianao ry Roma
Nanoratsoratra androany, fa lasalasa ngomangoma
Sady mbola hanoman’entana, fa ho any Londres indray
Dia avy eo manoratra eto, hoe iza no tena milay

Nosoratana tao anaty embouteillage tany amin’ny N 06
Brunoy 09 – 01 – 2007
--------
Rohy:
1850 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259