Ho hitanao ny anganoko (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hotsindroniko ianao, amin’ilay solanga domboko
Hanehoako aminao, ilay fiady sy firomboko
Sakoa izay raha taitra aho, fa lozanao ilay nila ady
Izao koa moa no tena marina, ianao mila , izaho mitady

Koa dia manantona aty, ianao ilay miseho ho sahy
Fa tsy matahotra ny aty, sady efa mitsangan-dahy
Tsy hitsoaka velively, na rangodrangotra na tolona
Avy aty raha hifanao, f’aza miseho ho menatr’olona

Ary izato trafon-tratra, feno efonefon’ainga
No ataoko famikirana, eo am-pamadiham-bainga
Izato vavanao mipentsona, hampanginiko an-konaina
Ataoko maka fy anaty, faly am-piferetan’aina

Ho hitantsika izay ho resy, na izaho na ianao
Tsy misomonga ny aty, ary koa tsy milalao
Fa tena sahy hitrobatrobaka, amin-tsaina feno vira
Ataoko hitanao ny anganoko, ataoko hitanao ny arira
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
786 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0314