HO NAMANAO (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Nikopol hoe Namanao

Tsy hitsikera
Na hidera
Izay zavatra tianao atao

Tsy handoka
N’hanafoka
Ireo faniriana anatinao

Fa tiako ny ho namanao
Na fotsiny hoe akaikinao
Fa tiako ny ho namanao
Na hita hoe anilanao

Izay fotsiny dia ampy ahy,
Na dia hoe namana tsinahy
Satria ny akaikinao no mamiko
Eny na dia hoe hindramiko

Ny akaikinao no iriko
Ka dia kafiriako
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1786 2
Mpakafy: josvoh - Penhell
Hevitra mandeha
nikopol ( 25/05/2006 07:26)
Misaotra Raozigasy a! misaotra
12 ( 02/06/2006 14:16)
aza kafiriana izany ny ho eo akaikinyeeee!!!!
fa tsaro aloha ilay izy e! tena reveko be mihintsy
Penhell ( 27/07/2006 17:50)
Iainako io.Kanefa tsy maintsy mijaly aloha e!Indraindray ohatry ny mieritreritre hoe efa tsy tiana kanefa dia mbola misisika ihany.Mahereza ho an'izay mitovy amiko.
raozigasy ( 10/09/2006 01:09)
Raha toa ianao ka te ho namany
Sy maniry ny ho tantanany
Kanefa tsy afaka manoatra
Dia aza kivy na sendoatra

Fa mbola any ilay anjara
Dia mahareta f’any afara
Ho hitanao ilay tena Namana
Mety hanarianao ny eo an-tanana

Aza maika hampirobo
Ka hitsabatsabaka itsy dobo
Tsy hita io ka mahamanina
Raha latsaka ao ianao ka ho fanina

Fa miandrasa izay sahaza
Ary aza atao voalobo-jaza
F’aleo ilay fitiavana matoy
No andrandraina sao maloy

Dia aza sorena aza kivy,
Aza mioty marikivy
Fa mandinisa ny fotoana
Izay ho anao ho avy foana
Soarilala ( 05/05/2010 10:49)
Sarotra ihany ny hamantatra ny tena namana tianao hizarana ny tsiambarantelonao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 22/05/2006 20:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031