Ialahy ve ? (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy miteny hoe ialahy ve mifoka,
Sy misintona kely fa mody jomoka
Fa ilay inspirak’ialahy rehefa miainga
Dia mamely tampoka, toa tota-bainga

Misy miteny hoe ialahy ve mianika
Sy manamaina akarin’ny danika
Ilay vinany voasoratra, tena mitsako
Manindrona anaty, sy tena milako

Misy miteny hoe ialahy ve misintona
Fa mody milamina na dia te hirintona
Fa ilay vetso aparitaka, toa mamely mafy
Mamoaka ireo tsiambaratelo izay nihafy

Dia tsotra ihany no avaliko anao,
Tsy misy lasantsy io fa miainga amin’izao
Tsy mila dotra fa tonga dia mijoala
Zaho aza ange indraindray tsy mahalala
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
768 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0485