Ianao ange ry Nao (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao nge ry Nao, tsy maintsy vangiana
raha sendra ny loza, nidonam-pahoriana
ka aza ialana ilay fomban-drazana
na dia nandao ilay tanindrazana

Ianao nge ry Nao, tsy vazaha rahoviana
ka ilay mahamalagasy re, aza idifiana,
ny tontolonao fotsiny ange no tandrefana
ny nofonao raha hody, tsy maintsy hiankandrefana

Ianao nge ry Nao, Malagasy foana
ny vavoninao, mitady vary raha noana
k'aza angarihana, ilay nipoirana
ndrao any aoriana, ka hanahirana

Raozigasy
--------
Rohy:
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 01/03/2014 23:41
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031