Ianao io izao haiko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao io izao haiko, fa ao anatinao, misy kaikitra indraindray
tsy nenina akory, fa raha hoe afaka nifidy fiainana hafa iray
na afaka namerina, na hoe afaka nanova, hanolo izay miseho
dia ianao no voalohany, hamafa sy hanitsy ireo rehetra ireo

Ianao io izao haiko, fa ao anatinao, misy tadidy iray,
misalovana matetika, mipongatra tsinahy, mitsakotsako izay
rehefa malomaloka, na rehefa varimbarina, na rehefa maina fety
angamba ny safidy, angamba izao sy izao, angamba toa ho nety

Ianao io izao haiko, fa misy olon-tiana, nizaranao ny lasa
tsy voafafan'ny tadidy, tsy lefin-taona maro, fa misy sisan-drasa
angamba re raha izy , angamba raha izahay, ho nanao ahoana re !!!
angamba ho izao sy izao, angamba izao no nisy, angamba tsarabe

…. ka ho anao io, izay mbola manonofy, ny taloha tsy miverina
izao no teny tsotra, apetraka milamina, ary koa anterina
ny bokinao taloha, efa nilamina iny, efa tsara pirina
ny lalanao no tohizo, ny omaly omaly ihany, toy ny faty tsara irina
--------
Rohy:
1409 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1233