IANAO NO TIAKO SY MALALAKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO TIAKO SY MALALAKO

Fa Fitiavako ianao,
fifaliako fahasambarako
fa fiainako ianao,
satria hitondra ny anarako

Fa fizarako ny alaheloko
ny tebitebiko, tarainako
fitantarako ireo tsy teliko
raha miasa mafy ny fisainako

Fa ho ampitsoko ianao
ho aviko sy fianteherako
fa ny tontoloko ho anao
hatramin'ny androm-pahaterako

Fa ny hany sisa teny baiko
itondrako izany lalako
hatramin'ny fara-fofon'aiko
Ianao no Tiako sy maLalako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3751 5
Hevitra mandeha
ramalagasy ( 15/04/2007 05:00)
Resy lahatra aho
katiaa ( 16/04/2007 12:11)
za kou
nikopol ( 02/05/2007 10:30)
mitovy amile tononkalon'i dox hoe antsampitiavana ilay fiatombohany !
SOBIKA ( 09/05/2007 14:59)
Ndresany aho!
soa ehh
lafatra
la ( 12/06/2007 11:36)
Ndray!! miatra any amin'ny aty fanahy le fitiavana
hery ( 26/09/2007 11:45)
Milay mihitsy ny nihaino ity tononkalo ity an :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0305