Ianao poeta tsinona … (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'Iaromalala manao hoe "iza ianao poeta ?" hita tao amin'ny pejy facebook "Fitia Mifanahatsana"

Ianao poeta tsinona, toa mamely akaiky
Aborakao ny miafina, eny e … izahay manaiky
Akobanao ny mandry, atsikafonao ny ambany
Ka henonay manaikitra, ny akon’izany

Ianao poeta tsinona, toa maminany izany
Toa hitanao daholo, izay miafina any ho any
Ny korontan-tokantrano, ny redan’ny fitia
Ka izahay mihomehy irery, sady maka fy

Ianao poeta tsinona, toa mahita lavitra
Vao tsy miainga akory, dia hitanao tsy avotra
Ilay laingo mbola tsy hary, dia hitanao ny felany
Ny ao an-trano mihidy, hitanao ety ivelany

Ianao poeta tsinona, toa mahay maka fo
Songonanao daholo, ireo vina ao an-doha
Lefahanao ny lango, sy ny angola vaitra
Arimanao ny teny, an-ditera raitra

Dia io izahay mpamaky, fa difotry ny sento
Miloa-bava mihitsy, hoe tena marina ry ireto
Indraindray miteny irery, mitsako ny hafatrao
Ny fo vaky barara, hoe sitrano sy ratrao
--------
Rohy:
971 0
Hevitra mandeha
mi-tsou ( 05/09/2013 09:54)
Tiako sady tsara!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304