Ianao sisa tsy ampy (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay anaranao, Efa vita sokitra tamin’ny lalan-dioko, manaraka ny halavany
Tsy ho afaka ao intsony, izy mandrakizay, mandram-paharavany
Ilay sarinao
Efa vita dika, ao anaty lalin’ny zanak’ ati-dohako
Ka na inona mitranga, izy tsy hivoaka, na ho faty alohako
Ilay feonao
Efa voatahiry, any an-kitsokitsoky, ny retsi-tàdiny
Ka na harenina aza, ny sofiko rehetra, heno foana iny
Ilay toetranao,
Efa hain’ny toetrako, niarahany nizotra tamin’ny fanahafana
Ka na aiza misy ahy, izy eo aveloko, tsy afaka fanafana
Ianao manontolo,
Efa nosoniaviko, tamin’ny tontoloko, fa ho ahy mandrakizay
Ka tsy hisy hafa intsony, hahasolo azy, ho vaovao indray
Ianao sisa tsy ampy, hampisy vatana azy, dia ho lafatra ny fiainako
Ary izany rehetra izany, no vavaka isan’aliko, sy vavaka marainako
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana