Ikala anona angaha !!! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin ny tononkalon'i Avelo Nidor hoe Ikala ianona

Ikala anona angaha !!!!

Izaho no lazaiko anao, Ralehilahy ity
Vao niainga dia efa haiko fa ianao tsy tia
Ny antsika koa mazava, tsy misy resaka fitia
Izaho mangidihidy, ianao niantso hoe avia

Amin ny fo tsy miangatra, koa no hilazako
Ianao ange tsy tiako, fa noho ilay filako
Tsy azoko tabaina, ho ren'ny tontolo
Dia nekeko ianao, ho fanalana bobongolo

Ianao aza manantena, hoe hifamato-maty
Ianao aloha no teo, izaho ilay tsy nahatanty
Izaho no mitondra an'io, aty amiko ny baolina
Ianao aza be famaritra, ianao ange bandy laolina

Ka ilay vavanao, resaka ikala ianona
Fepero dia tandremo, aoka mihitsy hijanona
Ianao zaza vao Omaly, miseho ho tompon-ditra !!!
Tsy mahay mananona, fa antsasaka minitra

Miaiky aho izay....

© Raozigasy 18/05/2019
--------
Rohy:
576 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261