Ilay hala-tahaka hono aok'izay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay hala-tahaka hono aok'izay
fa hoy ny vazaha efa hatraty aminay
no malaza ratsy amin'io Gasikara
ka manala baraka sy manimba tantara

Fa nalaina tahaka : i Obama Barack
teo no niandoha ilay fahafaham-baraka
izao indray nitovy dika tamin'i Sarkozy
ts'isy malagasy mahay ve ity tany ity ?

Raha haiko mialoha, izaho nanolo-tena
nataoko kabary feno etri-tena
naveriko nindraina tao ny fihavanana
izay no fahendrena natao tolo-tanana

Fa ity hala-tahaka ity mantsy lehireitsy
isika mihevitra hoe hevi-petsy
fa raha alain-tahaka daholo ange ny filoha
ny antsika no handeha « scooter » mialoha
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
928 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0924