Ilay mampirafy ange (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ho an'ireo izay tsy nahavaky hatramin'ny farany ilay tononkalo hoe « Mampirafy » ary ho setrin'ny tononkalon'i Joseclaudio Blacko manao hoe « Rafy sakaiza »

Malala a !
ilay mampirafy ange, voambolana nindramina
nentina nizara, ilay rima tiana, alamina
teny mampimira, ilay gadona napetraka
endri-kanto fotsiny, hanatsara resaka

Malala a !
ilay rafy lazaiko ange, ilay halatra fotoana,
ilay embon-dasa teny, rehefa ngomangoma
ilay foromporon-kalo, zaraiko anao ireny,
ilay asa vadin-tsoratry ny foko tsy miteny

Malala a !
ianao ange ilay tiako, saina , fo fanahy,
vatan-tokan'haiko, tsy misy ahiahy
nofinidy, notsongaina, tamin'ireo arivo
niseho raitra, sy nirenty, hoe zanak'Iarivo

Malala a !
ilay tononkalo ange, tsy hanadinoiko anao
fa ianao indrindra aza, no mahita izay vaovao
alohan'ny rehetra, ilay izy vao mafana
tam-bakiraokam-poko, nivoaka nigagana

Malala a !
ity tononkalo ity, izao mbola ianao no antony
fanahy niainga taminao, no lasa sari-kantony
izao no tena marina, raha tsy eo ianao angamba
ireo tononkalo ireo, amiko hitsotsori-mamba
--------
Rohy:
1982 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263