Ilay ranomasoko iny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay ranomasoko iny

Ilay ranomasoko iny, tsy tomany iny akory,
Na koa sentosentom-po , na vetsovetson’olon’ory
Fa hiram-po izay leom-pitaka, vetson’olona mangina
Raha nahatsiaro fa voahitsaka, ireo voady s’ireo dina

Ilay ranomasoko iny, tsy tomany velively,
Fa zoton-trakan’ny tsy resy, raha voa mafy sy voavely
Ary tsipi-panohizana, entina mizara ihany,
ilay omaly efa lasana, sy ny ampitso efa tamy

ilay ranomasoko iny, tsy tomany izany mihitsy,
fa maso ditsoky ny lasa, sy jenjin’itsy setroka itsy
aloka nandalo fotsiny, nitondra rivo-baovao
satria ilay fiainam-baovao, efa ao alohako ao,
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1417 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
Zozoro ( 09/08/2010 07:40)
Misaotra nizara e! mbola hafa ihany ny kalaza lahy.
Makasitraka Raozy a!

Ireny tafantsika ireny
Ny korana tany ho any
Ny asa vita teny ho eny
Ny hafalina ny tomany
Raha nivadika ny dina
Ka nanova ny tantara
Dia nohezahako nihinina
ho tonga hira tsy hay ambara.
raozigasy ( 09/08/2010 22:46)
Aleo

Ireo taloha izay niainana, zary nivadika ho angano
Ireo kotaba sy korana, tantara efa lasa rano
Ireo alahelo nampijaly, s’ireo hafa nampiferitr’aina
Efa nafoy, sy nohadinoina, efa nofafan’ny saina

Fa nivadika ny dina, nivily lalana ny voady,
K’ireo teny mamy notsitsiana, lasa niova tenin’ady,
Ka ny mety sy ny tsara, aleo hivalona hotorovana
Aleo alevina ny lasa, aleo tsy hisy fahatsiarovana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328