You are here: home > Vetso

Ilay voaly - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i Genilah Sitraka : « Fetinao ry soratra »

Ilay voaly fotsim-pejy, lavi-tsinin'ny tontolo
no nosangiako an-teniteny, tamin'ny peniko bontolo
ka nandrariana teny kanto, ho ravaky ny tokontaniny
tsy nolotoina sanatria, ilay fotsifotsy mbola maminy

Ilay alina niraisana, tam-pitambarana ambiroa
s'ireo itatritatr'hevitra, aingaainga vao nifoha
no takalom-panomezana, sy zara-teny mamimamy
ka mifanakanaka-danitra, eny ambohitr'i Vinany

Ireo rakitra naraikitra, koriandrian-teny soa
nampitaina ireo hafatra, loatry ny nihoatra avy ao am-po
no sonian'ireo ainga, nivaky tady niporitsaka
ka vela-boky ho tantara, no naraikiny an-tampisaka