INDRAM-PEO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay teny Malagasy, izay nampianarina ahy,
Ilay teny tsara indrindra, tsy menatra mitaha
No hitantarako anao, ny fiainan’ny fitia

Ka ireo feo Malagasy, kanto no hindramiko
Hizarako aminao, ireo soratsora-mamiko
Koa dia asaina ianao, andeha hiara-dia

Dia hitambarantsika, ireo vetsovetsom-po
Hambarako aminao, ireo riman’olon-droa
Hokaloiko anao, ireo tondrom-peon’ny foko
Ka ilay boky “Tia” , hiavaka an-doko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
936 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 28/08/2011 09:24)
tiako ny teniko
ilay lova tamin-dreniko
ka mameno ny fanahiko
fa lova tamin-draiko
io lay tenin-drazako
iresahako ami ny havako
ho ventsoko antaratasy
io ilay teny MALAGASY
Zozoro ( 30/08/2011 20:19)
Raha toa aho mamadika anao
Dia aoka ho moana sy tsy haleom-peo
Ary ny soa izay tadiaviko koa
Dia tsy ho hary fa ho rava avokoa...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334