Indramiko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indramiko ny feon’ny riana mikorotsaka
Haingon’ny masoandro maraina vao miposaka
Havadiko ho sary, sy ritsoka milanto
Hakako an’eritreritra, vinany kantokanto

Indramiko ny habaka, ravahim-penomanana
Sy tsikin-diavolana, manimani-namana
Havadiko ho hosotra, sy diarim-panembonana
Ho bikabikan-tsary sarotra takonana

Indramiko ny vetso, mpirifatra an-dakira
Sy ny fiboikan’ainga, enti-mamoron-kira
Aravoko ho tokana, ho vato fehizoro
Ho tsanganam-baton’ny kanto izay hajoro

Indramiko ny tsara , sy voatran’ny nahary
Ny loko sy ny fofona, ny taratara-johary
Bangoiko an-tsangan’asa, amboara nofintinina
Ho loka fanomezana , Fehezana vimbinina

Indramiko ireo kanto, mameno izato tany
Hamelana hafatra, hampitam-binany
Entiko ilazana fa izao tontolo izao
Dia feno hatsarana, fa tsy tsara noho Ianao

Fa ianao no tsara indrindra, ianao no tena mamy
ianao no tiako indrindra, zany zanako izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1318 0
Hevitra mandeha
pisokelinah ( 06/10/2010 13:17)
tsara!!!!!!!!
Soarilala ( 06/10/2010 13:48)
Tena mamy loatra izany menaky ny aina izany an!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0352