Indreo !!! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indreo !!!!!!

Indreo tovovavy mbola tsy ampy taona
Tsy matoy akory dia misangy mamba noana
Mandrehitra vazaha eny amoron-driaka
Amin-dihy mafana, mampalaza an’i Afrika

Indreo koa ry vazaha, efa lany mofo
Mitsiriritra anaty, ireto tanora nofo
Any aminy izy mantsy, naloam-piaraha-monina
Ka any an-tany hafa, no manao tsikonina

Indreo tovovavy, manao kajikajy
Ireo izao no tena vola fa tsy hoe majimajy
Sady ireo mety hoe hitondra ho any an-dafy
Dia any sady sambatra no tsy mba miafiafy

Indreo koa ry vazaha, manao takalo an-tsaina
Raha 5 euros no omeko, dia mandra-maraina
Ny fanaranam-po, sy ala hamohamo
Vola tsy misy dikany, nefa hitondrana an-trano

Indreo tovovavy, tsy misy hena-maso
Mampandihy andilana, miandry ilay andraso
Sady mifaninana amin’ireo zoky efa zatra
Sady matihanina, no tsara voitran-tratra

Indreo koa ry vazaha, manararaotra farany,
Any am-pirenena hafa, no manohy ny tantarany
Fa any an-taniny izy, fanampiana no ivelomany
Raha te hifalifaly, labiera sisa inomany

Indreo tovovavy, mihanakaiky hatrany
Am-pahasahiana feno, tsy misy bedy izany
Ny reniny aza moa tena tsy te hahalala
Izy koa moa tsinona, efa teo no niala

Indreo koa ry vazaha, manomboka mibitaka,
Tena mahery lahy, ity tanja-bola fitaka
Ilay pilina manga aza hono mbola lafo,
Noho ireo hatanorana, manati-tsafosafo

Dia samy nahita tombony, tany an-dohany avy,
Na ireto anti-dahy na ireto tovovavy
Aiza ho aiza ny olana, toe-bola ? sa toe-tsaina ?
Ny sasany te hiadana ,ny sasany te hiaina

© Raozigasy 25/08/15
--------
Rohy:
964 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312