Injay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injay ilay antso anaty
Mandrava ny tsy fehy
Mandevy mahafaty
Maika te handeha
… tonga ny ora farany…

Dia Rovi-tsihy an-trena
no hetsika nindraminy
Nataony hamonjena
Ilay segondra maminy
… saika nifaharany…

Dia nirifatra fandevy,
Nangotraka filoatra
Tapi-devilevy
Ilay vatana mpitroatra
… naloany ny sarany …

Dia fiadanan-dobo-po
Narindran-tepotepo
Oroka, ankin-doha
Fihina marefo
… sisa no tantarany …

Setrin'ny "Tonga" nosoratan'i Tahirintsoa Herimanana
--------
Rohy:
984 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.108