Inona no omena (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho avy izao ny fetim-pirenena
Dia inona no zavatra homena

Harivo tototra va izato lainga
Sa tifi-basy sy tafondro no hiainga ?

Sa doka-tena hoe mahavitabe
Ka ny maro no roahina handeha

Sa toky fitaka firesaka boloky
Sa teny moana noloarana tam-boky

Sa resabe ilay fampandriana adrisa
Sa sary hoe nahazo olona alin-kisa

Sa hampanantena poakaty avy an-dafy
Dia angano sy arira no hafafy

Sa vary izay tsy fatam-pototra zaraina
Sa hanao fetibe dia hoe milamin-tsaina

Inona no omeko anao ry firenena ?
Izay omeko mantsy isan’andro toa ekena .
--------
Rohy:
909 2
Mpakafy: Zozoro - maeva74
Hevitra mandeha
Zozoro ( 19/06/2009 13:48)
Taniko ô!

Izaho tsy mananaomena
hafa tsy ny Fitiavako
sy ny kely izay ananako entina anasoa anao.

Koa mihinina aho
an-dohan'izay ho taranako
sy ny amin'ny tiako sady mamiko

Raha mivadika ny foko
ary koa ny atidohako
Dia aoka ho potika, ho tarangana
izay rehetra voatsangana
ary koa izay ho hatsangana.

Tiako loatra ianao ry Taniko.
maeva74 ( 19/06/2009 15:40)
Mampalahelo ity manjo ity firenena " Io no gasikara tanindrazanay, tsy atakalo , tsy hamidy , satria io no efa lovanay"
benasy ( 19/06/2009 15:47)
Sarotra ny ihevitra fiotazana voankazo ao amin'ny hazo tsy misy fototra... ary anefa lojika faran'izay tsotra indrindra izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0337