Io (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ilay lentika masoandro am-para-tazam-bodilanitra,
io ilay loko mena fify, sarin-dredam-po salanitra
io ilay tsiaro tanindrazana, asandratry ny baobab
io ilay tsindrona ao anaty, mangina feno tabataba

io ilay sarak'halavirana, anembonana mazàna
io ilay sintona mahery, te hamonjy ny tanàna
io ilay vaika feno vesatra, miteraka sakodim-panina
io ilay fanainganainga lavitra, manaiki-po ny olo-manina

io ilay sary izay mampita, ny fara-takariva ho alina
io ilay taratra somamby, fifohazan-kintana aman'alina
io ilay antso ts'isy feon'ny vorona mahalala mody
io ilay antsy ts'isy lela, mandratra ny hanina te hody

io ilay kanto-tsary lafatra, izay namoha koa ny fanahiko
io ilay soka-bavahady, nivadi-tsoratra tsinahiko
io ilay safonono-dafatra, faratampon'ny hatsarana
io ilay boikan'ainga tsy voafehy, mahatonga ny soratra tsy tana
--------
Rohy:
919 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303