Ireo indray ee (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo indray mitandahatra, lisi-kandida
Solombavambahoaka, hisolo anao sy ahy
Hisolovava inona ? hihinana ny varinay ?
Sa hikepoka ny volam-panjakana indray ?

Dia horaikitra indray, ny fanaovana “je suis”
Ny hoe izaho fidiana dia tsy hisy « 4 Mi »
Izaho irery ihany, no mitsinjo ny madinika
Izaho fidiana an-jambany fa aza be fandinika

Dia hovidiana am-barimasaka, ireo resy tsy hiteny
Omena toky fitaka, ry zalahy an-keniheny
Sakafo iray vilia, no tambim-bidim-bato
Dia indreo tokoa, fa feno ilay harato

Dia vitan’izay indray, ny krismasy
Mahazo fripin-kilalao ny zanaky ny gasy
Fiseram-panomezana miampy toky poizina,
Tohivakam-pahantrana, sa taranaka voaozona ?
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
802 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2153