Irery 10 (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay trakan-doha ety ivelany
Ilay botsin-tratra tsy noferany
Ilay rijan-tafy sy fandeha
Dia sarisary ihany ange

Ilay feo manga, tsara rafitra,
Ilay resadresaka an-kandasitra
Ireo fihetsika rehefa hiteny
Dia toa olona ireny

Kanefa ny ao anatiny ao,
Dia tena afeniny anao
Fa misy jaly feno ratra
Fa koboniny ao an-tratra

Raha tianao ho fantatra ny aminy
Meteza ho namana indraminy
Dia lazainy anao ilay fery
Mijaly izy fa irery
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
779 0
Commentaires
Soarilala ( 07/10/2010 09:52)
Fiainana daholo izany, tsy kivy fa tsy maintsy mitraka hatrany n'inon'inona mitranga.
Raisina am-pitsikiana izay miseho.Ary tsy ho irery ianao fa misy iray any aho any izay tsy manadino anao dia ilay Avo .
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318