Irery 8 (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irery sasak’alina
Fotsy torimaso
Ny maso mihalalina
Mitanisa ankaso

Irery diavolana
Ny anaty ontsaontsa
dia mitanisa olana
Ka ny fanahy no tsontsa

Irery an-davarangana
Mandefa vetso lalina
Ny tsiaro ts’isy miangana
Manamaizina ny alina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
794 1
Mpakafy: raozigasy
Hevitra mandeha
Soarilala ( 24/07/2010 11:30)
Na mieritreritra ny tenanao hoe irery aza ianao dia misy olona mahatsiaro anao foana any ho any irery ohatr'anao ihany
raozigasy ( 24/07/2010 19:38)
Marina izany Soarilala a
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.069