Iza ary izany ? (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iza ary izany, izay mahay maminany
manao resaka varo-bilany
amin’ny fisainana ambany dia ambany
lomorina sady mirefa amin’ny tany
miseho mandrimandry, nefa manana aretina
ka sehoseho ivelany, no paika mba entina
kanefa ny fery sy vay ao anatiny
efa lo tanteraka, sady tsy tantiny

iza ary izany, izay mahay maminany
manao kajy fenitra tsy ambony tsy ambany
manao fidio lava ho filoha izaho ihany
na dia efa hita izao fa tsy ho lany
Mihaingo, mirevaka ambony tsikoko
Miebo azy ho mendrika sy tsara loko
Mideradera mirija amim-pety
Amin’izay mbola miseho ho vedety

Iza ary izany, izay mahay maminany
Manao kirin’ny an-tanan-dany
Mamikitra mafy , sy miaro ilay seza
Ka mba mihevitra azy ho olona ngeza
Manatsara velatra izato tsihy
An-kabary lava sy demagojia
Tsy mahalala akory fa akaiky ny farany
Kely sisa dia vita koa ny tantarany

Iza ary izany, izay mahay maminany
Iza ary izany ankamantatra ihany
Iza ary izany hoy aho manontany
Valio kely hoe : raha marina izany
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
840 0
Hevitra mandeha
mitantsotia ( 16/09/2013 16:47)
Za mahafantatra...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323