Iza daholo ireo ??? (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kandida efa firy, sivy amby efapolo
Hisolo tena hono, ny gasy manontolo
Dia hilatsaka hofidiana, filoham-pirenena
Hamaha ireo olan’ity tany mosarena

Dia naloa ny vola, iny samy manana
Na dia misy tsy mazava, ny nahazoana ity fananana
Nisy nandeha irery, narahin-tsolon-tena
Sy olom-bitsivitsy, sendra nifanena

Dia nisy avy marobe, narahina vahoaka
Nampiseho havononana, na inona inona hipoaka
Ka dia matoky tena, na inona hitranga
Hoe izy no totohondry, tsy matahotra diamanga

Nony niseho ny sary, dia maro no talanjona
Nahita ireo rehetra , izay mitovy tanjona
“hitondra firenena” ,ho filohan’I gasikara
Ny ankamaroany anefa , efa ratsy tantara

Misy ireo vaovao, tsy fantatra hoe avy aiza,
Fa tojo fifidianana, vao hoe “sakaizakaiza”
Toa fantany avokoa, ny tontolo Malagasy
Izay moa ilay fikan’ny “chef de classe”

Misy ireo niomana, efa elabe,
Ny afisiny aza moa, efa imbediabe
No napetaka hatraiza, fa tsy nety lany,
Ary hatramin’izao dia mbola eo ihany

Misy koa ny sasany, angamba te ho vedety
Na dia hita izao aza, fa tena tsy mety
Sy tsy ho lany mihitsy, fa tsy misy apoaka
Dia izy no mipoera, ho hitan’ny vahoaka

Misy ireo anarana, efa tsy vaovao,
Efa nanimba sofina, izao tontolo izao
Dia mbola manantena, ny ho tompon-daka
Amin’ny vadi-palitao, sy ny sabakabaka

Misy tsy lazaina, fa mampihorohoro
Tsy sahiko tondroina, tsy sahiko atoro
Fa sao aho dia migadra, raha sanatria io lany
Ka tonga dia hidoboka, any amin’ilay ambany

Misy mampihomehy, fa na ny sariny aza,
Tsy matotra mihitsy, fa toa lalaon-jaza
Ahoana io raha tsy lany, ny vola very maina
Na ny fameriny aza, tsy hisy antenaina

Ny programa indray, tsy hita izay mazava
Fa izy manontolo, samy avo vava
Samy varatra amin’ny azy, sy kely izay mba hainy
Vao miainga izao sahady, dia hita ny toe-tsainy

Eny e …

Aleo handeha ny doka, dia avy eo mahita izy
Fa tsy hitako izay matotra, fa resaky ny ankizy
Aleo handeha ny vava, kabary, vola, etsetra
Dia ho hita eo ihany, izay apoakan’ny rehetra
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
943 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303