Izahay angaha no tsy ho Andriana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa ato an-tokantranoko aho, dia izaho irery ihany
Sy ny ankohonakeliko, no mandinika hatrany
Izay ampitso sy hoavin’ny fiainanay rehetra
Ka ny tsiambaratelonay, dia hainay ny mifametra

Rehefa eo anivon-kavana, eo indray ny fianakaviana
Mifampizara fitaizana, fifaliana, fahoriana
Dia miaraka mandinika, ny hoavy ikambanana
Hahamora ny mitsinjo, ireo harena sy fananana

Rehefa anaty fikambanana, dia manokana filoha
Hitondra teny, hisolo tena, ireo notapahan’ny ron-doha
Ka sady hoe hanome lanja, , no hijoro ho andrazarezina
Rehefa misy fitenenana; dia izy koa no ankekezina

Rehefa resa-pirenena, tsy miova ny fizotrany
Fa somary ngeza fotsiny, ilay sehon-tsary izay apoitrany
Fa izy firenena iray, no mandinika ny ho aviny
Sy mitsabo raha tsy mety , ny mari-panan’ny fanaviny

Dia amin’ny mahavendrana ahy, dia noheveriko ho izany
Ny fitondrana firenena, hoe toy ny tokantrano ihany
Fa tsy tsabahan’ny vahiny, sy ny rehetra faly hanebaka
Ka ny adala sy hendry rehetra izao, no indray mitsoboka, mitsebaka

Hay moa izy ity ka politika, ho an’ireo hoe “tia tanindrazana”
Sy mahazo tombony aminy, na tompon-trano na mpitazana
Ka izay hampatavy ny ankohonany, sy ny tombontsoan-keliny
Ka ny hafa ankoatr’izay, tsy ao anaty “veliveliny “

Hay moa izy ity ka baroa, no teti-paika sy filamatra
Ka rehefa osa sy tsy vondraka, dia tsy afaka ny hifandramatra
Fa any an-tsisitsisiny any, no mandefitra mangina
Sy manompa anaty hoe “izahay angaha no tsy ho Andriana”
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
782 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 13/07/2013 07:18)
1- Tsara ilay tonokalo
2- Aza manaiky ho vendrana izany (@ maha vendrana ahy...)
3- Aza adino fa ny fiainana politika daholo fa misy ny maloto dia misy ny madio ka ataovy voankazo an'ala tandremo sao harary fo eo fa ny fiaianana efa izay mihitsy
mirary soa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316