Izahay hijanona eto ihany (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izahay hijanona eto ihany
Zavatra tsy mbola hay izay any
Tsy mety aminay ilay an-tsesitany
Fa toa kinanga sy fahatany
Raha samy hijaly sy hitomany
Aleo izay eto Gasikara ihany

Aleo izahay eto no “histance”
Raha tsy eo ny vola, eo ny ambiance
“demi-bota” dia”mampi-danse”
Ilay teny vazaha koa mbola « hampi-coince »
Fa ndao nareo raha ho any La France
Dia soava dia moa dia “bonne chance”

Aleo izahay hiaina toy ny vahoaka
Tsy mety aminay ilay mandeha mitsoaka
Raha samy hihinam-bary tsy misy laoka
Sy hitsimpona akotry ho iray kapoaka
Sao tonga any tsy misy apoaka
Ka izay vao nenina mipoapoaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
707 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0327