Izaho angamba mety hifindra ... (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin'ilay "atsy ananonanona atsy" nosoratan'i kiriah Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
hiandriandry anao rehefa, iny ianao ka lany vatsy
dia hanolotolotra, hanome, izay lavitra tsy takatrao
amin’izay isika roa, mety hiova kilalao
Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Hanara-dia ity fisainako, matetika ka ratsiratsy
Dia hanarakarak’olona eny, indrindra raha toa ka sendra ianao
Dia hisolantsolam-bava, hiresaka izao sy izao
Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Hibalabala rorakely, hitifitifitra, hifantsy
Dia hampiresadresaka eo, ilay sipa akama lavi-kavana
Rehefa ela ve ny ela, tsy hivadi-dela ho rahavana
Izaho angamba mety hifindra, atsy ananonanona atsy
Satria tokoa toa nisy resaka, henokenoko koa mantsy
Hoe ilay olona izay, mitady hivaravaralila
Ka nieritreritra ny saiko, izaho hitady raha izy hila
--------
Rohy:
Sokajy :
sitraka sy setriny - Aingam-panahy