Izaho ange (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ange rey olona, tsy hoe malahelobefa ilay hafatra voaraiko, no tena nampihomehy
ka tonga dia navadiko, nakako « inspiraka »
indraindray koa ange matsiro, ny kasoka sy taim-piraka
Izaho ange ry namana, tsy nahatsiaro hoe voadona
ka tonga dia nibabaka, hoe hijanona hifona,
fa ilay resaka natsipy, noraisiko hampiabo
tsy hampifezaka ahy, ho kivy, resy, babo
Izaho ange ry « Fan », tsy nahatsiaro hoe voahitsaka
ka tonga dia hihafy, sy hitampify ary hifitsaka
fa ilay teny izay voaraiko, navadiko ho ainga
vao maika nanoka-jery, ary izany tsy mba lainga
Fa ilay angaredon-kevitra, tiako mba nalaina
hitakalozana eto, no tena mba nilaina
mba tsy hihainoako fotsiny, lakolosy tokam-peo
ka izay no tena antony, nizarako azy anareo
Kanefa dia misaotra, fa teo ianareo tsy nihafa
nizara tolo-kevitra, nifanakalo tafa
nampitombo risika, sy nanampy zoto
rehefa misy izay manjo, dia ireo mitotototo
Ary aza kivy na matahotra, ny antsika eto mitohy
ny tononkalo, sy takalo, hifaningotra hirohy
fa raha izay kiana sy tsikera, ve no tsy handrosoana
dia ho fongana ny sera, sy ny fanatontoloana
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy