Izaho fidiana !!! (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia amidiko aminao, ilay sakako beloha
Ireo vary mangatsiaka, tsy lafoko taloha
Dia ampaniriako indray, ireo atsanga tsy aman’orana
Fa izaho fidiana dia voavaha daholo ny olana

Dia izaho fidiana, raha toa ianao tsy an’asa
Sy ts’isy diploma, fa tonga ianao dia lasa
Tsy hahantra intsony, fa tonga dia tafita
Hiadana am-pitaovana, toy ny any am-pita

Ny vahoaka ho voky sy ho tsara tafy
Tsy hisy intsony izany, olona hiafy
Dia ny tanàna hilamina, ary koa hadio
Fa raha tsy izaho no eo, tsy hety mihitsy io

Ny lalana ho vita, ny vokatra hivoaka
Ireo tantara ratsy hanaovako ampamoaka
Ho foana ny halatr’omby, sy dahalom-birao
Fa izaho fidiana, dia hilamina ianao

Ny jiro sy ny rano, tsy hisy hitanila
Fa hahazo daholo izay mpanjifa mila
Ny internet koa, hataoko toy izany,
Poa toa izay dia vita, rehefa izaho no lany

Ireo mpangala-tsatroka, sy mpandoro rova
Mpanala Baraka , ity renivohitr-hova
Sy Remenabila, ataoko haza lambo
Fa izaho fidiana, dia ho afaka ny atambo

Ka tsotra re ny teniko, ry vahoaka marobe
Ny ahy tena toky ireo, fa tsy ariaribe
Fitiavan-tanindrazana, no nanosika ahy,
Ka izaho fidiana, fa aza miahiahy
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1185 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334