Izaho mba te .... (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho mba te hianoka izany tsiron-teninao, ry teny Malagasy
Nefa hatramin’izao , dia tenin’olon-kafa, no henoko an-dasy
Ka mampangasihasy

Izaho mba te haka fy, ny kanton-tsoratrao , ry teny nolovaiko
Nefa mahagaga, fa tenim-bahiny, no asaina henoin’ny saiko
Dia atao hoe teny baiko

Izaho mba te hihaino, ireny hain-teny , izay vokatry ny teniko
Nefa ange dia loza, tenim-pianarana, no terena hoteneniko
Aza hitako ka ho neniko

Izaho mba te handala, ireny raitra ireny , an-tsary sy ohabolana
Nefa ange dia ankona, f’izay rehetra miteny, hafa ny voambolana
K’izaho tsy sahy mivolana

Izaho mba te hizara , Hoe ny teniko no tsara
Izaho mba te hiteny , Hoe ilay an’I Neny
Izaho mba te hihambo , Hoe aza mati-kambo
Izaho mba te hanaitra , Hoe ny teniko no raitra

Ka miangavy anao, Henoy izao teny izao
Fehezo ny anao, Ilay tenin-drazanao
Fa io ange no antsika , Na lavitra ny riaka
Ny toerana honenana , Sao mantsy hanenenana
--------
Rohy:
1349 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102