Izaho sy ny zanako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
isika roalahy , ilay miadiady kely, fa ianao maditra
rehefa voasazy, mampalahelo ahy, ireo maso mipitra

isika roalahy , ilay misangisangy, sy milalao « judo »
rehefa mianjera, dia mikakakaka, misafo ilay « bôbô »

isika roalahy, ilay mifampizara hanina, tsy miteny amin'i neny
mahay mifanakalo, dieny mbola kely, fitaiza koa ireny

isika roalahy, mianatra tsianjery, sy manao tononkalo
dia raisintsika am-peo, averimberina eo, efa im-pito im-balo

isika roalahy rehefa matory antoandro, mifanao « calin »
dia faly be i dada, fa ampoka fitia, miverina « gamin »

isika roalahy, miampy an'i neny, isaorako ny Avo
fa nomeny fifaliana, nomeny fiadanana, ka sambatra sy ravo
--------
Rohy:
1096 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0355