You are here: home > Vetso

Izaho tsy hidi-dalina - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny tononkalon'i Avelo Nidor "Midira"

Tsy fantatro ianao,
Aloha hatramin’izao
F’isika samy vao

Fa tiako ho fantarina,
ireo misarotsarona
Izay no tena marina

Hahalalako tsy an-kijery,
Ireo fono-mistery
Sy toetra mbola miery

Izaho nefa tsy hidi-dalina
Fa aleoko ny alina
No ho namako mpandalina