Izy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy no mpitsena , ny saiko valalanina
Izy no mpanohana , ny lohako raha fanina
Izy no mpitsetra , ilay izaho tsy mihinan-kanina
Izy no mpanoko , ireo kajy sy adisanina

Izy no mpamaly ireo teniteny ireriko
Izy no mpanitsy , ny tonon-tsianjeriko
Izy no mpitsabo ireo holatry ny feriko
Izy no mpamafa , ireo nenina kaikeriko

Izy no mpandefitra ,amin’ny iviko sy esoko
Izy no mpanadina , ny famerenan-desoko,
Izy no mpitsara , ny hira avalam-besoko
Izy no mpitana, ireo potiky ny kesoko

Izy no mpamonjy , amin’ny havizanana
Izy no mpitsiky, ireo namana tantanana
Izy no mpahalala, ireo harena sy fananana
Izy no mpanidy, ny zavatra faranana

Izy no mpahita, ny tsiambaratelom-batako
Izy no mpaheno , ireo zavatra fangatako
Izy no mpitroka , ireo dini-pirongatako
Izy no mpizara, ny trena izay atatako

Izy tsy ho adinoko, raha iny aho ka variana
Izy tsy ho sarako , na ho foiko ariana
Izy tsy ahetsiko, fa eo an-joro no kaliana
Izy no izy aminy, izy no fandriana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1680 0
Hevitra mandeha
mitantsotia ( 16/09/2013 17:20)
hahaha, tsy ratsy ndray iny!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304