Izy io ange (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy io ange Razoky, tsy bokotra tsindrianaka hoe vao miteny ianao, dia hirotsaka ny rima
fa mila raha iainana, mila vetso ranga
izay vao mivadika, ho soratra ilay tranga
Izy io ange ry Zandry, tsy hoe vavahady vohaina
ka ao ambadika ao, ireo tononkalo ilaina
fa mila raha mandona, mila vinany masaka
izay vao misasasasa, ireo teny miparasaka
Izy io ange ry Sipa, tsy hoe manoka-dalimoara
dia mifidy fotsiny, izay kanto sy hoe tsara
fa mila tamberin-jery, sy tamba-doko miady
izay ilay gadona sy rima, vao mifampitady
Izy io ange Malala, tsotra sy misosa
vao iny ianao mitondra, tsiky soa miavosa
tonga dia miparitaka, sy miraradraraka
ireo baradaka fitia, sy angolan-teny miaraka
Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy