Izy roa VS izy roa - raozigasy
Azo vakiana?
Izy roa VS izy roa
Fony izy roa, vao nifankahita
Samy jejo ery, isan’andro niova tafy, sy nanamboatra bika
Ankehitriny kosa, eny e mbola tsy miova
Ny tafy tamin’izany, no anaovana anio, mbola hatao lova
Fony izy roa, voalohany nihaona
Vao nifampiresaka, dia nifampitsiky, tsy hay loatra hoe nahoana
Fa ankehitriny, toa tena hafa mihitsy
Na ny firesaka aza, tsy misy mifanaja, tsy misy ankitsitsitsitsy
Fony izy roa, nifanome finday
Toa nahita foana ambara, ka tena tsy naharaka ny fahana indraindray
Fa ankehitriny, tsy haiko asa re
Tsy misy antso intsony, zara raha misy, tsy misy mifandre
Fony izy roa nifampisary zoro
Toa nahay nifampizara, nahay nifanampy, sy nahay nifanoro
Fa ankehitriny, tsy hay hoe maninona
Tsy misy zara izany, na ny kely na ny bitika, na inona io na inona
Fony izy roa, oh mbola tanora
Rehefa nifanoroka, tsy nisy salasala nifanakalo rora
Fa ankehitriny, angamba efa soara
Fa ny vava fotsiny, no zara raha mitohoka sady tsy mahitsy tsara
Fony izy roa mbola nifampikaoty
Toa tsy andry ery, fa vao nifankahita dia nifampidina kilaoty
Fa ankehitriny, tsy hay hoe manakory
Fa vao eo am-pandriana, na samy tsy mitafy aza,tonga dia matory
Fony izy roa, mbola hoe natanjaka
Maraina antoandro hariva, nifandamoro lava, sy nifampitanjaka,
Fa ankehitriny, asa angamba osa,
Fa tsy misy intsony, izany sary gaigy fa samy toa kanosa
Fony izy roa, eeeee …. firy taona lasa
Tsy nisy tsy natao, sy niaraha-nanao, izay tsy vita no asa
Ary ankehitriny ?? manenjika ny taona !!!
Fa ny omaly no anio, lalana malama, tsy misy mikitaona
Fony izy roa… sa … izy roa anio … oh… tantara sisa
© Raozigasy 24/05/2019
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 30/05/2019
Mpamangy : 1052
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy