Kajy (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
. . . Diso ve ny kajiko ? . . .
Raha toa ny taonanao
Ilay tamin’ny taona firy
Sy ny halavanao
Iray metatra sy firy
. . . No valiny mba azoko ? . . .

. . . Diso ve ny kajiko ? . . .
Raha toa fifandrifiana
Amin’ny toetranao
Tsy alana tsy ampiana
Fa tonga dia ianao
. . . No valiny mba azoko ? . . .

. . . Diso ve ny kajiko ? . . .
Fa tena mety tsara
Ilay ianao rehetra
Na mitombo na mizara
Tonga dia mitoetra
. . . No valiny mba azoko ? . . .

. . . Diso ve ny kajiko ? . . .
Satria na ny porofo
Nandrasako hanamarina
Ilay kajikajim-po
Niteny anao ho marina
. . . No valiny mba azoko ? . . .

. . . Diso ve ny kajiko ? . . .
Raha toa ianao irery
Miampy izaho tokana
Roa hanjary iray
No atambatra atokana
. . . No valiny mba azoko ? . . .

. . . Diso ve ny kajiko ? . . .
Raha diso re ny kajiko
Kajio hoe mba jerena
Sao betsaka ny tsy azoko
Mba hitsarako tena
. . . Amin’izay valiny azoko . . .

05/07/2004
--------
Rohy:
1215 2
Mpakafy: evakely - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 17/07/2004 12:14
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0339