Kanto varo-boba (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsikera kely azoko, dia indro fa zaraiko
angamba mety hoe marina, fa tsy niasan'ny saiko
nanambara izy mantsy, hoe ny an'i Raozigasy
tononkalo varo-boba, maty kapoka sy hasy

Ny kanto hoy izy mantsy, tsy tokony ho toy izao
hoe aparitaka etsy, ho an'ny tsy misy atao
fa tokony homen-daka, akarina ambony
fa tsy zarazaraina amin'ny sehatra toy itony

fa lasa maivan-tsanda, tsy hanan-danja intsony
tantely afa-drakotra, tsiro tsatsoin-drony
izay leitsy no mba teniko, fa an'ialahy ny sisa
dia mahaiza mieritreritra, sy mamisavisa

….

dia nalaiko ambony, sy nalaiko ambany
angamba misy marina, izany teny izany
kanefa ilay mizara no tiako sy mba mamiko,
ary izaho tsy noterena, ahy ireo fa tsy nindramiko

sa andrasana ho faty, sy levona ny nofoko
izay vao hozaraina, ireto nofinofiko ?
sa andrasana ho lo, sy rotika ny vatako
izay vao adradradradra, hoe ireo ilay nosoratako ?

ny sandany amin'izay, tsy izaho intsony,
no maheno azy, sy ny feo akoiny
fa tontolo vao sy hafa, lokanga tsy mitovy
no handalina azy, sy mba hanao zovy



tsy aleoko ve anio, dieny mbola velona
izaho no mizara, ireo aingako miselona
ka na teny maharary, na tora-boninkazo
no takalon-tambin-tsoratro, mivantana aho no hahazo

tsy aleoko ary ve , hozaraina androany
ireo rediredim-bavako, dieny izaho eto an-tany
ka na kiana na tsikera, na sitraka na ompa
eto am-pahavelomako, ny onjany mitopa

aleo fa tsy maninona, ekeko ny an'ialahy
hoe kanto mora vidy , no soratra mba ahy
aleo fa tsy maninona, aleo aho hirobaroba
aleo hiainga ny fanahy, ho tononkalo varo-boba
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1103 0
Hevitra mandeha
ANARIM ( 31/03/2014 17:53)
Raozy a, ny mpitsikera misy fona, raisina izay azo raisina, fa amin'ny ankapobeny dia milay ialahy! aza miova, tohizo, mankafy tanteraka izahay! 😊
raozigasy ( 01/04/2014 00:12)
Misaotra anao e, fa mba ilaina koa ange ny tsikera indraindray ee !!
andry 1000 ( 30/03/2015 05:31)
tena ilaina mihintsy ny tsikera fa zay no tsy ampy ho an'ny tsirairay!! izay ilay assurance qualité e!! mila tsikeraina rehefa azo tsikeraina mba ahatsara zavatra!! mazoto raozy gasy e! mankafy e!
hjravs ( 30/03/2015 06:35)
ny sehatra rehetra 'zay azo hizarana
sy afaka hampitana,
ny hafatra sakaiza
na aiza io na aiza:
na eny an-dalambe
na anaty fb,
ho ataotsika daholo
f'isika efa voahozona hiantsa ny tontolo!
Mahereza e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1197