Karama ny ahy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Karama ity zalahy
Ka tsy maintsy miasa aho
Tsy aleoko ve manao
T shirt vaovao
Dia mirozirozy ?

Karama ity zalahy
Ary izaho koa sahy
Mihogahoga tsara
Amin’ny feoko gara
Dia misotro sy midozy

Karama ity zalahy
Fa tsy revin-jiolahy
Hoe enjehin’ny polisy
Fa mametaka afisy
ngah eo misy sahy mikozy ?

Karama ity zalahy
Karama ihany ny ahy
Fa na izay olona fidiana
Tsy hitako izay tiana
Na endrika na pozy

Fa ny hitako hoe mety
Rehefa vita indray ny fety
Dia hatao lavanty indray
Ilay vatoko iray
Na hataoko tombola
Fa vola ihany no ahy
No ilaiko aloha androany
Fa izany mifidy izany
Mbola an’ny misy atao
Aloha hatramin’izao
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
876 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031