Koboko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Koboko » ny « jeu »-n'ilay hala-tahaka
amin'izay hiparitaka be hoe hihahaka
hoe ilay fitondrana anie ka voasolo
dia mahalala daholo ny eran-tany tontolo

« Koboko » ny « jeu »-n'ilay « copier coller »
niainga tamin'ny resaka hoe mampihomehy
kanefa te hiseho amin'izay sy halaza
hoe efa « mise en place » ny olon-kalaza

« Koboko » ny « jeu », mazava « enfin »
tsy hoe fika masiso fa « flindomin »
te hiavaka kely hoy aho ilay Gasikara
dia ny « buzzn'ny com » atao tsaratsara

Koboko hoy aho, aleo ho ahy samirery
fa sao mantsy be ny tsy mitovy fijery
dia avy daholo hitoraka ahy
hoe ilay Raozigasy ve bandy mivaha !
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
1175 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032